Edito du 07 juillet 2018

0

Na inona ambara na inona lazaina, ny tsy fisian’ny fifampatokisana intsony eo amin’ny samy Malagasy no fototry ny krizy misy ankehitriny. Ireo fomba nampandaniana ny lalàmpifidianana sy ny fanoheran’ireo Solombavambahaoaka miisa 73 nomban’ny vahoaka izany no porofo mivaingana amin’izay tsy fisian’ny fifampatokisana izay intsony. Ao anatin’izay tsy fifampatokisana izay anefa no tsy maintsy hanatontosana fifidianana izay ho Filohampirenena ka asakasak’izay mpanao itsin-dalan-dririnina tsy hampiatra ny mangarahara amin’ny fikarakarana izany.