Edito du 1 décembre

0

Tsy tonga tonga ho azy ny tsy fandriampahalemana, na an-tanan-dehibe na ambanivolo fa ao raha. Fa rehefa ny tokony hiady amin’ny fanjakan’i Baroa no manao fanjakan’i Baroa, tsy atao mahagaga raha samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Rehefa ny natao hitandro ny fandriampahalemana no mivaona amin’ny andraikiny sy ny fahefany, fa izy indray no manao fitsaram-polisy, iza intsony ny hiaro ny vahoaka ?