EDITO du 14 mai 2018

0

Mihazakazaka manao fanelanelanana amin’ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny na vahiny na Malagasy. Milaza ireo vahiny fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny samy Malagasy nefa dia indro fa manery tsotra izao ny mpitolona hiray latabatra amin’ny mpitondra mpamono olona. Ny Gasy milaza ho mpanelanelana indray, kajikajy hifampizarana seza no maha-maika.