Edito du 24 Décembre 2018

0

Tontosa soa aman-tsara iny ny fifidianana filohampirenena, izay efa nandrandrain’ny vahoaka Malagasy taona maro lasa izay. Tsy misy ny tonga lafatra, ny madilana ho tetenina tsy maintsy misy amitsika olombelona. Na eo aza izany, azo ambara fa afaka naneho ny safidiny ankalalahana ny olompirenena feno 18 taona noho miakatra ka voasoratra tao anatin’ny lisim-pifidianana. Fitoniana sy filaminana no ilain’ny vahoaka manomboka eto hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra.