Edito du 7 avril 2018

0

Fanapotehana firenena faran’izay haingana no azo anambarana ny zava-bitan’ity fitondrana HVM ity tao anatin’ny 4 taona mahery kely nitondrany. Sambany teo amin’ny tantaran’ity Nosy ity no nisy fivoriana tsy ara-potoana in-4 nisesy. Ity fitondrana HVM ity no voalohany teto amin’ny tantaran’ny firenena nahitana Solombavambahoaka maherin’ny 70 nahasahy nijoro fa nisy ny kolikoly tamin’ny fandaniana lalàna teny Tsimbazaza.