Editorial

0

Miha maro ireo antoko politika, fiaraha-monim-pirenena ary mpiara miombon’antoka amin’i Madagasikara no mitsipaka ny fikasan’ny fitondrana ny hanova ny lalampanorenana. Tsotra ny anton’izany, tsy ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy sy ny firenena no tsinjovin’ny mpitondra amin’izany fa tombotsoa manokana ahafahana mijanona ela indrindra eo amin’ny fahefana. Laharam-pahamehana ny fiomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.