EDITORIAL

0

Noho ny raharaha Claudine Razaimamonjy, mibaribaribary ny fisian’ny kolikoly avo lenta eto Madagasikara. Aiza anefa ny fampiharana ny lalàna, inona ny fepetra noraisina ho an’ireo izay minia manafina ny marina? Izay indrindra no antony voalohany tokony hametrahana faran’izay haingana ny mpanohitra ofisialy eny anivon’ny antenimieram-pirenena.