Accueil Société EPM 2021 : hahafantarana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara

EPM 2021 : hahafantarana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara

0
EPM 2021 : hahafantarana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara

Efa lany andro avokoa ny antontan’isa mikasika ny fahantrana, fiara-monina, ary ny fari-piainan’olona eto Madagasikara izay ampiasaina tato anatin’ny taona maro. Manoloana io, hanatanteraka fanadihadiana maharitra eny anivon’ny Tokantrano na EPM 2021 ny Instat sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Ahafahana mampifanaraka ny tetikasam-pampandrosoana sy ny laharampahamehana ny vokam-panadihadiana ho azo amin’ny alalany. Tokantrano miisa 16 896 manerana ny faritra 23 no hanatontosana ny fanadihadiana.