EPP manara-penitra Beandrarezona : ho vitaina ao anatin’ny 60 andro

0

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny vatofototra hananganana ny EPP manara-penitra ao amin’ny Koaminina Beandrarezona. Fananganana fotodrafitr’asa izay tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny ministera tomponandraikitra.