Fadintseranana : tafapetraka ny fomba fiasa « Ephytos » sy ny «  Décisions anticipées »

0

Notanterahina androany ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanatanterahina ny tetikasa «  Ephytos » sy ny « Décisions anticipées » eo anivon’ny fadintseranana Malagasy raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Natao izany ho fanatsarana sy ho fanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fifanankalozana ara-barotra eo anivon’ny Fadintseranana.