Faha 59 taonan’ny fahaleovan-tena ao Senegal : nasaina manokana i Madagasikara.

0

Hanomboka rahampitso faha 2 ny volana Aprily ny fankalazana ny faha 59 taonan’ny fahaleovan-tenan’i Senegal. Hisy ihany koa ny lanonana fametrahana amin’nyfomba ofisialy ny filoha MACKY Sall izay voafidy fanindroany tany an-toerana. Nasaina manokana hanatrika izany i Madagasikara.