Fahatongavan’ny Papa François : hentitra ny fitandroana ny filaminana

0

Hentitra ny fitandroana ny filaminana androany teny amin’ny lalana nolalovan’ny Pape François. Maro ireo mpitandron’ny filaminana nahetsika izay nifandrombonan’ny polisim-pirenena, ny zandarimaria ary ny tafika Malagasy.