Fakana an-keriny : teratany karana hafa indray no lasibatra

0

Lehilahy teratany karana iray indray no nisy naka an-keriny tokony tamin’ny 8ora omaly maraina teny Behoririka. Lehilahy 4 misaron-doha mitondra fitaovam-piadiana maherivaika  no nanao ny fisamborana araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso.