Fakana ankeriny : misy ny zandary naiditra am-ponja

0

Zandary miisa 55 no namoahana fanejehana na « ordre de poursuite » ankehitriny araka ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena androany. Misy amin’izy ireo no voarohirohy amin’ny resaka fakana ankeriny. Isan’izany ny raharaha fakana ankeriny tao Maevatanana.