Fampiakarana ny karama farany ambany ho an’ny tsy miankina: tsy misy ny décret mikasika ny fanatanterahana azy hatreto

0

Tsy mazava hatramin’izao ny mikasika ny fanatanterahan’ireo orinasa tsy miankina ny fampiakarana ny karama farany ambany taorian’ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny hiakaran’ny SMIG ho 250 000 Ar noho ny tsy mbola fisian’ny décret mikasika izany hatreto. Nanaitra ny fanjakana manoloan’io ny GEM na ny Groupement des entreprises androany ny tokony hanazavana amin’ny fomba mangarahara sy mazava momba ny fanatanterahana ny fampiakarana io.