Fanafarana vaksiny : tokony hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra

0

Raha tiana ny hanatratrarana ny fetr’isa takian’ny OMS amin’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, tsy tokony hionona fotsiny amin’ny INITIATIVE COVAX ihany ny fanjakana fa hanetsika ny lalana rehetra mety hahazoana ny vaksiny anatin’ny mangarahara. Ilaina ny fametrahana drafitra matipaika mahakasina ny fanaovam-baksiny raha ny nambaran’ireo misehatra amin’ny fitsaboana.