Fanalàna tomponandraikitra ambony : Tsy manana ny maha-izy azy ve ny filohampirenena?

0

Tsy manana ny maha-izy azy ny filohampirenena raha ny nambaran’ny mpanao politika nanaovana fanadihadiana manoloana ny fanambarany mikasika ireo tomponandraikitra ambony sy minisitra tsy mahomby amin’ny fanatanterahana ny asany. Eo ihany koa ny ahiahy ny amin’ny mety ho fisian’ny kopaka isasahana amin’izy ireo raha ny fanadihadiana natao.