Fanamboaran-dalàna eto an-drenivohitra : maharitra 10 volana ny asa

0

Mitohy ny fanamboarana ny lalana ataon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy eto an-drenivohitra. Faritra manodidina ny 30 indray ankehitriny no mahazo tombony ao anatin’ny tetikasa « Rue de Tana » izay nihatomboka omaly. Maharitra 10 volana ny fanamboarana ka « Marché à commande » no hanomezana ny antoka ho an’ireo orinasa.