Fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra : manomboka ny asa

0

Ho vitaina ato anatin’ny 10 volana ny fanamboara-dalana maro eto an-drenivohitra, isan’izany ny lalana mivoaka amin’ny lalam-prenena 1,2,3,4 ary ny faha-7. Niatomboka tato anatin’ny herinandro vitsy ny dingana voalohany, ny fanamboarana ny « trottoir » sy ny sisin-dalana.