Fanamboaran-dalana : lalana mirefy 180km mampitohy an’i Katsepy sy Soalala no hatomboka

0

Fitsidihana ireo district sy fitokanana fotodrafitrasa no nanamarihan’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina ny Androny tsingeritaona naterahanany omaly. Lalana mirefy 180km mampitohy an’i Katsepy s’y soalala no hatomboka ary Efa Tonga any an-toerana n’y fitaovana hanaovana izay. Hiverina hisitraka jiro amin’ny alalan’ny tolotra omen’ny Jirama ny mponina ao katsepy raha ny fanambarana nataon’ny filoha nandritra ny fandalovany tany an-toerana omaly. Notokanan’ny filohan’ny repoblika nandritra ny fandalovany tao Namakia omaly ihany koa ny lalana mirary vato.