Fanamboaran-dalana: takiana ny fikajiana ny kalitao nifanarahana

0

Fanamboaran-dalana miisa 54 no vita sy an-dalam-pahavitana na ihany koa an-dalam-pahazoana famatsiam-bola tao anatin’ny 2 taona sy tapany teo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy. Hitohy ny asa rehetra raha ny nambaran’ny minisitra vaovao. Hitohy ihany koa ny fangaraharahana sy ny fanatsarana ny kalitao takiana amin’izay fanamboaran-dalana izay . Hisy arak’izany ny fanohizana ny fijerena ireo lalana vitan’ireo mpanao lalana mbola manana vola amin’ny fitondram-panjakana. Aorian’izay vao hivoaka ny volan’izy ireo raha mifanaraka amin’ny fifanarahana natao.