Fanamboarana ny RN44 : mizotra araky ny tokony ho izy

0

Mandeha araky ny tokony ho izy ny fanamboarana ny lalana RN44, izay niatomboka taorian’ny fametrahan’ny Filohan’ny Repoblika ny vato fototra tany an-toerana. Nanamafy ny orinasa CGC nahazo ny asa, fa tsy maintsy voahaja ny 18 volana voalaza hamitana ny tapan’ny voalohan’ny fanamboarana. Nitsidika tany an-toerana ireo teknisiana teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, nijery ny fizotry ny asa.