Fananan-tany – Avaradrano : nomena fiofanana ireo ben’ny tanàna sy filohan’ny mpanolontsaina

0

Nanomboka androany, ary haharitra roa andro, ny fampiofanana sy ny fanomezana torolalana ireo ben’ny tanàna sy filohan’ny mpanolontsain’ny tanàna ao Avaradrano mahakasika ny tontolon’ny fananan-tany. Ny hampihena ireo tsy fanarahan-dalàna eny anivon’ny Kaominina tsirairay avy no tanjona.