Fanapoizinana ara-tsakafo teny Andravoahangy : tsy fahatomombanan’ny fikarakarana no antony

0

Tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny fikarakarana sy tsy fahadiovana no nitarika ny fanapoizinana ara-tsakafo nahazo ireo mpianatra 64 teny Andravoahangy ny alatsinainy teo. Nakatona avy hatrany ary tsy afaka manohy izay asa famarotana hani-masaka izay ny toerana araka ny fanazana.