Fanatrarana ny velirano : maro ny teboka mila jeren’ny Filoha manomboka izao

0

Tsy maintsy hirosoana ny fanesorana ny mpikamban’ny governemanta tsy maharaka ny fanamby napetraky ny filohan’ny repoblika, hoy ny mpamakafaka politika nanaovana fanadihadiana. Ankilany, tokony ho tohanana indrindra amin’ny lafiny fampitaovana ny mpikambana maharaka ny hafangainam-pandeha, hanatanterahana ny velirano araka ny tokony ho izy.