Fanatsarana ny tanàn-dehibe : zava-dehibe ny fanomezan-danja ny mpianatra malagasy

0

Manana ny andraikiny, indrindra amin’ny fanatsarana ny tanàn-dehibe sy ny fanajariana ny tany eto Madagasikara ireo mpianatra ho teknisianina Malagasy. Notontosaina androany teny anivon’ny Minisitaran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny fifanaovan-tsonia mpiara-miasa hiarahan’ny minisitera sy ny sehatry ny fampianarana ho fanomezan-danja ireo mpianatra Malagasy amin’ny fanatanterahina ny fanatsarana ny tanàn-dehibe.