Fandalovan’ny rivodoza : faritra maro no nahitana fahavoazana.

0

Faritra maro manerana ny Nosy no nahitana fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ENAWO. Raha ny tatitra vonjimaika tany avaratra sy atsinanan’ny nosy, miisa 6 ireo namoy ny ainy, aman’alina ireo traboina sy tsy maintsy nafindra toerana ary fotodrafitrasa maro no simba. Maro amin’ireo lalam-pirenena ihany koa no tapaka vokatry ny fihotsahan’ny tany.