Fandaniana na tsia ny LFI 2021 : tokony hilaza ny fomba fijeriny mazava ny Loholona

0

Tsy terena ny Antenimierandoholona handinika sy handany ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Manaraka ny antanatohatra mahazatra amin’ny fandaniana volavolan-dalàna ny LFI raha miroso amin’ny tsy fandinihina azy marina ny Loholona, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena androany, manoloana ny fanambaran’ny Antenimierandoholona mahakasika ny tsy fandinihana ny LFI 2021.