Fandikan-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra : ho avy ny fanasaziana

0

Androany ny fe-potoana farany nomena ny kandidà solombavambahoaka hanalana ny afisy fampielezan-keviny amin’ny toerana voarara. Hiroso amin’ny fanesorana izany ny CENI aorian’izay ka 2 hetsy ariary isan’andro miampy ny sandan’ny fanesorana ny afisy ny sazy aorian’ny fampitandremana.