Fandraisana anjara amin’ny fifidianana : tsy mahaliana ny maro noho ny toetry ny mpanao politika

0

Tsy miantraika mivantana eo amin’ny fiainanan’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ny fomba fanao politika eto Madagasikara hany ka tsy mazoto mandray anjara amin’ny  fifidianana ny olom-pirenena. Io no azo ambara manoloana ny fanontaniana napetraky ny agences capsule sy ny kolo tv manoloana ilay fanontaniana hoe, Inona no mahatonga ny olona tsy liana handray anjara amin’ny fifidianana ? hoy ny Solombavambahoakan’i Marolambo.