Fanendrena ireo mpikambana HCJ : mbola mitohy ny famitaham-bahoaka ataon’ny mpitondra HVM

0

Namoaka didim-panjakana laharana faha-2018-471 manendry ireo mpikambana eo Anivon’ny Fitsarana Avo na ny HCJ ho fantatry ny rehetra omaly, ny serasera eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Didim-panjakana izay nampitondraina ny datin’ny Zoma faha-25 may lasa teo. Izany hoe niaraka nivoaka tamin’ny famoahan’ny HCC ny didy fanapahany iny ihany koa. Mbola mitohy hatrany ny famitaham-bahoaka ataon’ny mpitondra HVM.