Fanjakana Malagasy :  manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hoy ny Randrana Sendikaly

0

Manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa ny Fanjakana Malagasy hoy ny Randrana Sendikaly raha nitaky ny hamoahana ny naman’izy ireo izay naiditra am-ponja noho ny tolona ara-tsendikaly nataony. Fanampin’izay, misy tsy mazava hoy izy ireo ny famonjana io mpitolona Sendikaly io ka angatahana fandraisana fepetra noho ilay raharaha hanala baraka ny Firenena Malagasy eo imason’izao tontolo izao.