Fanoherana ny fitrandrahan’ny Base Toliara : olona 9 no voatazona any am-ponja

0

Olona 9 amin’ireo 30 voasambotra vokatry ny fanoherana ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no voatazona any amin-toeran-tsy fantatra hatramin’izao. Mitaky ny hamoahana azy ireo ny Fiarahamonim-pirenena CRAAD-OI, sy ny Collectif Tany, ary ireo mponina any an-toerana.