Notanterahina androany ny atrikasa fankatoavana ny fenitra nasionaly amin’ny fanorenana fotodrafitr’asa maharitra, afaka miaritra ireo loza voajanahary eto Madagasikara. Tsy hisy intsony manoloana izany, ny gaboraraka sy ny kolikoly, amin’ny fanarenana fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny tetibidiny, hoy ny minisitra tomponandriakitra.