Faradofay : notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Centre Vonjy

0

Mihamahazo vahana ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo ao Taolagnaro ary mihena hatrany ny salan-taona iharan’izany amin’izao fotoana. Tsy ekena intsony ny fisian’izany ary ho hentitra ny sazy ho an’ireo izay tratra hoy ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny centre vonjy natao handraisana ireo niharan’ny herisetra ao an-toerana.