Sakana ho amin’ny fampandrosoana ny faritra ny tsy fisihan’ny drafim-panajariana, na eo aza ny fahamarohan’ireo harena voajanahary raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Manoloana io, tontosa androany ny fanombohan’ny famolavolana ny fametrahana izany ho an’ny faritra Analamanga hiarahana amin’ny minisisteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Tanjona ny hamaritana ny drafim-pampandrosoana ny faritra mandritra ny 20 taona raha ny fanazavana.