Faritra Androy : noterena hifidy HVM ny mponina

0

Noterena hifidy HVM ny mponina amin’ny Kaominina maro tao Ambovombe Androy. Ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert no nitety Birao fandatsaham-bato araka izay tratra ka nizara vola sy nanery azy ireo hifidy ny kandida laharana faha 12 nandritra ny fifidianana ny faha 7 ny volana Novambra lasa teo. Nijoro vavolombelona ny mponina any an-toerana mitantara ny zava-niseho.