Faritra Atsimo : novatsiana rano

0

Mipaika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka any amin’ny faritra atsimo, ny fanatsarana sy fanitarana toby lehibe fisontoman-drano , any amin’ny distrika roa, Tsihombe sy Beloha. Mponina 40 000 no voavatsy rano tamin’iny tetikasa tanterahan’ny fitondrampanjakana iarahana amin’ny unicef, ary ireo mpamatsy vola samihafa iny. Hitohy hatrany kosa ny fanitarana ny hanatanterahana ny tetikasa.