Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany: maro ny adisisika ataon’ireo Solombavambahoaka

0

Miditra amin’ny andro faharoa ny fandinihin’ireo Solombavambahoaka ao anatin’ny Vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo mpisehatra isan-tokony voakasika amin’ny fanavaozana  ilay Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany. Miha-mafana ny ady hevitra mandritra izany ary maro ireo teboka avy amin’ny fanjakana takian’ny solombavambahoaka ny hanitsiana azy.