Fepetra ara-pahasalamana : sarotra ny fanajana ny elanelana 1 metatra eny an-tsena

0

Fepetra ara-pahasalamana tsy voahaja eny anivon’ireo tsena eto andrenivohitra ankehitriny ny mikasika ny elanelana 1 metatra. Anton’izany ny fahamaroan’ireo olona mivezivezy eny amin’ireny toerana ireny. Eo ihany koa ny fahateren’ny toerana natokana ho an’ireo mpivarotra.