Fetim-pirenena : nanomboka androany ny kerimesy eo amin’ny kianja malalaka Betongolo

0

Ho fanakalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny firenena, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny kerimesin’ny mpitandro filaminana eny amin’ny kianja malalaka Betongolo. Kerimesy lehibe ahitana kilalao maro samihafa sy sakafo isan-karazany hamalifaliana ny vahoaka Malagasy no tanterahin’ireo Mpitandro filaminana ahitana ny Miaramila, Zandary sy Polisy.