Fialan-tsasatry ny mpianatra mandritry ny Paska : haharitra 15 andro

0

Hisorohana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 , haharitra 15 andro ny fialan-tsasatry ny mpianatra, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mandritry ny Paska izay hanomboka ny zoma izao. Tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fanatratrarana ny programam-pampianarana izany raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny CISCO Tanà ville. Mihidy ao anatin’ny 14 andro kosa ny sekoly ahitana trangana Covid-19 miisa 3.