Fiangonana Jesosy Mamonjy : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny samy mpitantana

0

Mitohy hatrany ny disadisa eo amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ary niha-nioatra izany amin’izao fotoana hiverenan’ny fisokafan’ny fiangonana izao indray. Mijabaka amin’ny Raharaham-piangonana ary mikasa hampiditra Politika ao anatiny ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, hoy ny andaniny. Namaly kosa ity farany fa fandaminana no natao amin’ny maha mpino azy. Mihenjan-droa ny tady ankehitriny.