Fiantohana ny fitaterana ny mpiasa : misedra olana avokoa ny orinasa rehetra

0

Mavesatra amin’ny orinasa tsy miankina ny fiantohana manontolo ny fitaterana ny mpiasa araka ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana farany teo. Ankoatran’ny vesatra mianjady azy ireo amin’ny fampandehanana ny orinasa anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, tsy maintsy hanokanana teti-bola ny fitaterana ny mpiasa araka ny fanadihadiana. Isany misedra olana toy izay ihany koa ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony.