Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : tsy maintsy hampifandraisina amin’ny teti-pivoarana misy

0

Hohatsaraina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny firenena Alemana, ary hatao izay hampifandraisana ireo tetikasa maro amin’ny teti-pivoarana ampiasan’ny mpitondra fanjakana, io no nisongadina nandritry ny fitsidihana ara-pomba fifanajàna nataon’ny Chargé d’affaires Alemagne teny Mahazoarivo. Ankoatra izay, tonga nanao veloma ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny Solontena maharitry ny OMS Madagascar, Charlotte Faty Ndiaye niasa teto amintsika nandritry ny 6 taona.