Fiarahamonina Malagasy : mihavery ny fahaiza-miaina sy ny fitsinjovana ny hafa

0

Mihavery ny fahaiza-miaina sy ny fitsinjovana ny hafa eny anivon’ny fiarahamonina eto amintsika ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany ary samy manana andraikitra amin’ny fanitsiana sy ny fanabeazana avokoa ny olom-pirenena tsirairay avy. Natao hiara-monina ny olombelona ary misy fitsipika arahina izay tokony ho lasa toe-tsaina sy toe-po ho an’ny tsirairay avy.