Fiaram-panjakana : naverina ho an’ny fanjakana rehefa nobodon’ny fianakavian’ny filoha teo aloha

0

Naverina ho an’ny fanjakana ireo fiaran’ny ministeran’ny asa vaventy rehefa nobodon’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina an-taona maro sy nampiasainy tamin’ny tombotsoa manokana. Tsy ekena ny fampiasana ny fitaovam-panjakana amin’ny tsy rariny, antony nandraisan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny andraikiny.