Fidinana ifotony any amin’ny fonjan’i Manjakandriana : Narirarira ny mpanao gazety.

0

Narirarira nandritra ny ora roa mahery ny mpanao gazety omaly, mialohan’ny nitondran’ny ministeran’ny fitsarana azy ireo hoany Manjakandriana. Ankilany ny tomponandraikitry ny seraseran’ny ministeran’ny fitsarana tsy ahenoana vaovao ary manilika any amin’ny sekretera jeneraly. Andaniny ny sekretera jeneralin’ny ministera nilaza ho tsy mahalala ity fidinana ifotony ity. Naverina nantsoina indray ireo mpanao gazety rehefa niparitaka taorian’io.