Fifehezana ny lozan-dranomasina an-tsokosoko : nanome 1 volana hanomanana ny antotan-taratasy ho an’ireo sambo tsy ara-dalàna ny APMF

0

Nanome fe-potoana 1 volana ireo sambo tsy ara-dalàna tany amin’ny ilany avaratry ny Nosy amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy ny teo anivon’ny APMF nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ankoatran’ny fanentanana azy ireo hiditra anatin’ny sehatry ny ara-dalana, tanjona ny ahafahana mitsirika azy ireo hifehezana ny fitaterana an-dranomasina an-tsokosoko izay saika hamoizana ain’olona maro tao ho ato.