Fifidianana filohampirenena : dodona ny olompirenena

0

Herinandro mialoha ny fifidianana. Dodona amin’ny fandraisana ny kara-pifidianana eny anivon’ny fokotany ireo olompirenena na misy aza ireo komity eny anivon’ny fokontany manatanteraka ny fizarana isan-tokantrano. Misy lanjany ny vato iray arotsaka amin’ny fifidianana hoy ireo olompirenena sendra ny mpanao gazety androany. Efa misy ihany koa ankilany ny fepetra noraisain’ny eo anivon’ny CENI manoloana ny fanana kara-pifidianana 2 na mihoatra.